Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Alahady 02 Aprily 2006 amin'ny 11 ora atoandro

Lamesa ho an'ny Katolika  eto Washington sy ny manodidina.

Ry mpiara-mivavaka Katolika eto Washington D.C. sy ny manodidina,

Mompera Meme Romuald dia miantso antsika mianakavy ny Alahady 02 Avrily 2006
amin'ny 11 ora atoandro hanotrona ny Sorona Masina izay atao ao amin'ny:

 

3700 Oakvieu Terrace N.E

Washington, DC 20007

 

Tsy dia mifanalavitra ireo toerana roa ireo fa noho maro isika no ho avy dia nangataka tamin'ny namany Mompera Meme mba ahazahoana toerana lehibebe kokoa.


Aorian'ny lamesa dia manasa antsika ihany koa izy hiaraka hisakafo ao
an-toerana ka noho izany dia samia mitondra ny anjara sakafo sy
fanalana hetaheta sahaza ny fianakaviana tsirairay avy.
 

1243  Monroe street, NE

Washington, DC 20007


Raha misy manana fanontaniana dia aza misalasala manoratra mailaka na
miantso an-taroby (703) 398 8918.

Misaotra indrindra Tompoko,

Ny mpikarakara.


Vaovao : Alahady 15 Aprily 2006 amin'ny 2ora  hariva

Famangiana Manjo an'i Ramatoakely Farrah Malala

Any hianareo namana sy tapaka ary havana rehetra,

 

Noho ny fahalasanan' ny rain' i Ramatoakely Farrah Malala, Itompokolahy RAKOTOMALALA Pascal, dia hisy ny famangiana miaraka an' i Farrah amin' ny Asabotsy 15 Avril ho avy izao. Ny fotoana dia amin' ny 2 ora hariva marina (2PM) ao:

 

Farrah Malala
6809 Canal Bridge Ct
Potomac, MD 20854
(301)983-3129

Note: Raha misy olona te - hamangy mitokana dia mba hiangaviana indrindra izy ireo mba ho tonga aloha manomboka amin' ny 1 ora tolakandro (1PM).

 

Directions to Farrah Malala's place:
from Virginia

-take 495 north
-take exit #41 - Clara Barton Pkway
-stay on left at the ramp
-continue on Clara Barton Pkway
-at the dead end, turn left on McArthur Blvd
-go 7/10th of a mile and turn left on Canal Bridge Ct
-6809 is second driveway on the left. park in the driveway, the court and
along Mcarthur Blvd.

from Silver Spring, Rockville, or  Baltimore
-take 495 south
-take exit #41
-continue on Clara Barton Pway
-at the dead end, turn left on McArthur Blvd
-go 7/10th of a mile and turn left on Canal Bridge Ct
-6809 is second driveway on the left. park in the driveway, the court and
along Mcarthur Blvd.

  Dia misaotra indrindra tompoko ary miangavy antsika rehetra mba hampita ity filazana ity amin' ireo olona tsy mbola nahazo na nahare izany.

 

Patrick sy Bakoly Randrianarivelo
11786 Bayfield Court
Reston, VA 20194
Home:(703)796-0087
Mobile:(703)622-6652
Email: hanitra2@yahoo.com

Vaovao : Alahady 16 Aprily 2006 amin'ny 2ora sasany hariva

Paska 2006

Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana ho an'ny Malagasy eto Washington DC sy ny manodidina mba hiarahana hankalaza ny Paska 2006

Toerana:  "WESLEY THEOLOGICAL SEMINARY"

  4500 Massachussets Ave NW

        Washington, DC 20016

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay."  JAONA 3:16

Noho izao fahatongavan'ny Paska izao, fankalazana nandresen'ilay Mpamonjy ny fahafatesana mba ho fanavotana antsika, dia faly manasa antsika rehetra ny Komity mpikarakara ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana eto Washington D.C. sy ny manodidina mba hiaraka hankalaza sy hidera an'Andriamanitra amin'io andro io. Ny fotoam-pivavahana dia ho tanterahana ny

Alahady 16 Aprily 2006 amin'ny 2ora sy sasany ao amin'ny fiangonana Wesley Washington D.C. :

Wesley Theological Seminary

4500 Massachussets Ave NW

                        Washington, DC 20016

 

Ao aorian'ny fotoam-pivavahana moa dia hisy fiaraha-manala hetaheta sy fandraisana tsakitsaky toy ny mahazatra. Ny zava-pisotro sy ny kenokenona moa dia ny fiangonana no miantoka azy ary ny momba ny tsakitsaky kosa dia manasa antsika rehetra mba samy hitondra izay sahaza hiarahantsika mifaly

Koa manantena ny fahatongavantsika rehetra mba hiara-hankalaza ny Tompo mba ho voninahitr'ilay Ra izay nalatsany mba ho fanavotany antsika.

Ny Komity mpikarakara

 

NB: Ny Komity dia manasa antsika izay te hanolon-tena amin'ny fanampiana fanomanana sy ny fampirimana ny fiangonana sy ny toerana hisakafoanana. Izay vonona ho amin'izany dia mba iangaviana mba hiantso ny 703 398 8918 Izay fanampiana rehetra moa dia raisina an-tanan-droa tokoa.

Vaovao : Alarobia 26 Aprily 2006 manomboka amin'ny 7:30PM - 10:30PM

Tala Faral Band  Special Africa and Reggae.....

BANGKOK BLUES
926 W. BROAD ST (on R-7)  
FALLS CHURCH, VA
Phone: 703-534-0095

Tala Faral Band  Special Africa and Reggae.....

Bring your shoes, ready to dance African groove with the great vocalist , the one and only ARMAND NTEP from CAMEROON...

Bangkok Blues April 26th
from 7.30pm -10.30pm...

Tala FARAL

BANGKOK BLUES
926 W. BROAD ST (on R-7)
FALLS CHURCH, VA
Phone: 703-534-0095