![]() |
![]() |
![]()
Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina
![]()
Vaovao : Asabotsy 04 Aprily 2009 manomboka amin'ny 2:30 PM

Fianaran-kira Chorale Paska 2009
Manao ahoana daholo isika rehetra,
Noho fahatongavan'ny Paska dia isaky tolakandro no
hanaovana ny famerenan-kiran'ny Chorale, izay efa nanomboka tamin'ny Asabotsy 7 Martsa
2009
Amin'ny Asabotsy 04
Aprily izao izany dia hisy ny famerenenan-kira
ho antsika izay tsy tratra antso
Koa manasa antsika rehetra mpanao Chorale tsy
ankanavaka sy izay mazoto hanafana ny Chorale mba ho
avy. Izany dia atao ao amin' ny tranon'i
Andriamatoa Roger RALAY mivady
5314, Bangor Drive
MD-20895
Ny fotoana dia hatomboka amin' ny 2 ora sy sasany, (2.30 pm) hariva.
Ny mpitendry dia efa manana hira iray azo atao amin'ny Paska fa raha misy manana
hetaheta hira tsara atao amin'io fotoana io dia mba ento amin'ny Asabotsy na
hilazao Patrick dia isika no miara-mifidy ny hira faharoa atao.
Raha mila fanazavana amin'ny fandehanana any amin'i Mr Roger Ralay dia aza
misalasala miantso ny telephone
301-613-0099 /
301-655-4036.
Tsy hananako daholo ny
e-mail ny rehetra fa dia mba ampitampitao ny hafatra azafady.
Dia misaotra antsika mialoha ary
manantena ny
fahatongavantsika maro
Ny mpikarakara.
![]()
" FILAZANA MANJO "

Amin’ny ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ampandrenesanay anareo fa ny malalanay :

RANDRIAMAMONJY Victor
(Mpiasan’ny Banky BFV misotro ronono)
Ordre du Mérite de Madagascar
Chevalier de l’Ordre National
Dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Alakamisy , 2 Aprily 2009 rehefa nivahiny 65 taona teto an-tany
Hoy :
Ny vadiny : RAMIADANARISOA Florine
Ny rafozany: RAZAIARISOA Helene
Ny
zanany :
RAVELONANOSY Jean Thomas & RANDRIAMAMONJY Hanitrasina
RANDRIAMAMONJY Herilaza & Bakoly
RANDRIAMAMONJY Harilalaina & Hary
Ny zafiny :
Ravelonanosy Fafah
Ravelonanosy Mirah
Ravelonanosy Mandresy
Ravelonanosy Fiderana
Randriamamonjy Natacha
Randriamamonjy Michael
Randriamamonjy
Mialisoa
Randriamamonjy
Mirado
Ny
iray Tampo aminy :
Randriamamonjy Calixte & Jeanine sy ny zanaka
aman-jafiny
Randriamamonjy Abel & Esthere sy ny zanaka aman-jafiny
Vady navelan’Itompokolahy Randriamamonjy Lala sy ny
zanaka aman-jafiny
Randriamamonjy Seta & Rosette sy ny zanaka
aman-jafiny
Ny
iray Tampo amin’ny vadiny :
Ramilijaona
Philibert sy ny zanaka aman-jafiny
Raminoson Leon mivady sy ny zanaka
aman-jafiny
Razanamahazo Celestin mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Harimanana Thomson mivady sy ny zanaka aman-jafiny
Rajohnson Roger mivady sy ny zanany
Andrianjanaka Raphael mivady sy ny zanany
Rafalimanana Andriamifidy mivady sy ny zanany
Ramanambe Harivola mivady sy ny zanany
Ramanitrarivo Lanto mivady sy ny zanany
Ny
fianakaviana manontolo
Ny Zanaka
Am-pielezana Andriampamaky
Ny
Fiangonana FJKM ao Andranomadio-Tsiroanomandidy
Ny
Fiangonana FJKM sy ny EKAR ao Andriampamaky
Ny
Fiangonana FJKM ao Fenohasina Firaisana
Ny
Fiangonana FJKM ao Ambatomahamanina
Ny
Fokontany Andranomadio - Tsiroanomandidy
Ny
Fokotany Ankadifotsy – Mandialaza
Ny Fokotany Andriampamaky
Ny
Fikambanan’ny mpiasan’ny Banky BFV misotro ronono
Ny nofony dia hiala ao amin’ny tranony ao Lot VJ 28 Ankadifotsy – Mandialaza, ny Zoma 03 Aprily amin’ny 11 ora sy sasany atoandro, ary entina hitodi-doha any an-tanindrazana (Andriampamaky).
Hiala ao amin’ny tranon-drazany ao Andriampamaky ny Asabotsy 04 Aprily, 2009 ary entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny FJKM Andriampamaky amin’ny 1 ora atoandro, alohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasandrazany ao Sabotsy, Andriampamaky ihany.
“Tompo ô ! ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao”. ( Lioka 2:29 )
“Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry”. ( Salamo 90:12 )
“Tsy Misy Famangiana”
Misaotra Tompoko!

![]()
Vaovao : Alahady 12 Aprily 2009 amin'ny 3:00 PM
Paska 2009

Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana ho an'ny Malagasy eto Washington DC sy ny manodidina mba hiarahana hankalaza ny Paska 2009
Toerana:
" WESLEY THEOLOGICAL SEMINARY
"
4500 Massachussets Ave NW
Washington, DC 20016

"Tafantsangana ny Tompontsika, koa handao re hitsaoka azy!"
Faly manasa antsika rehetra ny Komity mpikarakara ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana eto Washington D.C. sy ny manodidina mba hiaraka hankalaza sy hidera an‘Andriamanitra amin‘ny Paska ho avy izao:
Alahady 12 Aprily 2009 amin’ny 3 ora
ao amin’ny fiangonana Wesley
4500 Massachussets Ave NW
Washington, DC, 20008
Ao aorianan’ny fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha-manala hetaheta sy fandraisana tsakitsaky toy ny mahazatra, koa manasa antsika mba hivimbina izay sahaza hiarahantsika mifaly.Ny ranom-boankazo sy ny kojakoja dia ny fiangonana no hiantoka azy.
Koa manantena ny fahatongavantsika rehetra mba hiara-hankalaza ny Tompo mba ho voninahitr’ilay Ra izay nalatsany mba ho fanavotany antsika.
Ny Komity mpikarakara
Fandraisana anjara:
Maro ny fomba hahazoanao mandray anjara toy ny:
- Famakiana teny
- Korala
- Fanomanana sy fampirimana ny Fiangonana sy ny toeram-pisakafoanana
Raha mazoto amin’izany ianao dia afaka manoratra amin’ny ramarijaona@hotmail.com
" FILAZANA MANJO "


![]()
![]()