Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Asabotsy 03 Aprily 2010 amin'ny 3:00 PM- 6:00PM

Famerenan-kira Chorale Malagasy

Manao ahoana daholo isika rehetra,

Noho fahatongavan'ny Paska 2010 dia  amin'ny Asabotsy 03 Aprily, 2010 izao ny famerenenan-kira farany ho any Chorale Malagasy eto Washington DC sy ny manodidina.
Koa manasa antsika rehetra  chorale tsy ankanavaka mba ho avy hamonjy ny famerenan-kira.
Izany dia atao ao amin' ny fiangonana:
 

Hope Lutheran Church and Student Center
4201 Guilford Drive
College Park, MD 20740

Ny fotoana dia hanomboka amin' ny 3 ora tolakandro ka hatramin'ny 6ora hariva tsy diso 3.00pm -6.00pm.

Raha mila torolalana na fanazavana amin'ny fandehanana any dia aza misalasala miantso ny telephone

703-622-6652// 301-948-0947/ 301-613-0099

 Hiangaviana isika mpandray anjara tsy ankanavaka mba ho tonga aram-potoana azafady. 
Tsy hanananay daholo ny e-mail ny rehetra fa dia mba ampitampitao ny hafatra azafady.

Dia misaotra antsika mialoha.

Ny mpikarakara.

 

Vaovao : Alahady 04 Aprily 2010 amin'ny 2:30 PM

Paska 2010

 

Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana ho an'ny Malagasy eto Washington DC sy ny manodidina mba hiarahana hankalaza ny Paska 2010

Toerana:  Hope Lutheran Church and Student Center
4201 Guilford Drive
College Park, MD 20740

 

"Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra antsika, nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra

mino azy fa hanana ny fiainana  mandrakizay.”   Jaona 3:16

Faly manasa antsika eto Washington D.C. sy ny manodidina mba hiara-hidera sy hihoby an’Andriamanitra amin’izao fankalazana ny Paska izao.

Ny fotoam-pivavahana dia ho atao ny:

Alahady 4 Aprily amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny

Hope Lutheran Church and Student Center
4201 Guilford Drive
College Park, MD 20740

Ao aorianan’ny fotoam-pivavahana moa dia hisy fiaraha-manala hetaheta sy fandraisana tsakitsaky toy ny mahazatra. Ny zava-pisotro sy ny kenokenona moa dia ny fiangonana no miantoka azy ary ny momba ny tsakitsaky kosa dia manasa antsika rehetra mba samy hitondra izay sahaza hiarahantsika mifaly.

Ny Komity mpikarakara