Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

" Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

                                                                                                              Lioka 2:11                       

Faly miarahaba anareo tratry ny Krismasy 2005 izahay

 

“Hitondra soa sy fahombiazana, fanambinana ary fahasalamana ho antsika tsirairay avy anie ity taona vaovao 2006 izay ho diavintsika ity.”

 

Dia samy hotahian’Andriamanitra e!

 

Vaovao : Sabotsy 24 Desambra 2005 amin'ny 8 ora alina

Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana ho an'ny Malagasy eto Washington DC sy ny manodidina mba hiarahana hankalaza ny naterahan’ilay Mesia.

Krismasy 2005  

Noho ny fahatongavan’ny Krismasy izao, dia faly manasa antsika rehetra ny Komity mpikarakara ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana eto Washington DC sy ny manodidina mba hiaraka hankalaza ny naterahan’ilay Mesia. Ny fotoam-pivavahana dia ho tanterahina ny Sabotsy 24 Desambra 2005 amin’ny 8 ora ao amin’ny fiangonana Wesley, Washington DC :

Wesley Theological Seminary

4500 Massachussets Ave NW

                        Washington, DC 20016

 

Ao aorianan’ny fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha-misakafon'ny mpianakavy. Koa manainga antsika mba hivimbina laoka sy vary mba hiaraha-mifaly. Ny zava-pisotro sy ny kojakoja dia ho raisin’ny fiangonana anjara. Mba hampirindra ny fotoam-pivavahana dia iangaviana isika mba hanatitra ny sakafo any amin’ny cafeteria mialohan’ny amin'ny 8 ora na rehefa vita ny fivavahana na aorian’izay.

 

Koa manasa antsika rehetra mba ho tonga maro sy hilaza ny tapaka sy namana izay tsy tratra antso.

 

Ho amintsika rehetra anie ny fiadananan’ny Tompo.

 

Ny Komity

 

Fanasana antsika rehetra

Manasa antsika rehetra izay te-handray anjara rehetra koa ny Komity na ny lehibe na ny ankizy. Maro ny azo atao amin'izany toy ny famakiana teny, Korala ary kilalaon’ny ankizy. Koa miangavy antsika izay te-handray anjara mba hiantso na hanoratra amin’ireto manaraka ireto:

-          Famakian-teny sy fitatazana rakitra: Bénoit Razafimbahoaka, ra_ben@yahoo.com

-          Korala: Alex Rabearisoa, metytsara@yahoo.com, 703 494 4549

-          Kilalaon’ny ankizy: Sitraka Ramarijaona, ramarijaona@hotmail.com, 571 276 3492

 

Dia misaotra antsika amin’ny fandraisana anjara.