Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Sabotsy 02 Desambra 2006 amin'ny 9:00 AM - 4:00PM               

Bazar de Noel de l 'eglise protestante  Francophone eto Washington DC
 

Toerana:

Wesley Theological Seminary
4500 Massachussets Ave NW
Washington, DC 20016

 
Ry Mpiray tanindrazana malala,
Ho tonga indray ity ny Bazar de Noel de l 'eglise protestante
francophone eto Washington D.C. Izay hatao ny 2 Desambra 2006, ary hatomboka amin' ny 9ora maraina hatramin' ny 4ora hariva. Izay hiarahan-tsika amin' ny pastera vaovao - Le Pasteur Marc Henri Vidal izay faly hihaona sy handray antsika tsirairay.
Toy ny fanao isan-taona, dia  mandefa ity mailaka ity aho mba ho
fangatahana aminareo ny fanohanana ny fiangonana. Amin' ny alalan' ny:  fanomezana, na sakafo.
Ny cheque dia azonao atao amin' ny anaran' ny fiangonana " french protestant church".
Misaotra indrindra antsika ary samy ho tahin' Andriamanitra.
Calie Rerodo
 
Chers compatriotes,
Le bazar de Noel de l’eglise protestante francophone de Washington DC est arrivé. C’est bientôt: le samedi 2 décembre entre 9 heures et 16 heures, avec la présence du nouveau pasteur- Le Pasteur Marc Henri Vidal qui est ravi de rencontrer chacun d’entre vous. Et comme chaque année, je vous envoie cet e-mail pour vous demander d’appuyer notre église, par des dons ou de nourriture ou d’argent.
Pour tout chèque, veuillez mettre à l’ordre de “french protestant church”
Que Dieu vous bénisse
Merci,
Calie Rerodo
 

Calie Rerodo 

International French Broadcaster VOA
 www.voanews.com/french
office: 202 203 4152
cell: 703 624 4421

 

Fisaorana  -  Remerciements pour le Bazar!

Ny Fiangonana l’église francophone protestante de Washington D.C  dia maneho fisaorana feno ho antsika rehetra nanohana tamin' ny Bazar 2 Decembre 2006.
Misaotra indridra  tamin' ny fanomezan-tanana, ny fahatongavana, ny fanohanana  ara-bola, ara-tsakafo sy ireo maro izay tsy voatanisa.
Ny tontalin' ny vola  azo tamin' io fotoana io dia manodidina ny $6000.
Ny Tompo anie hamaly izay nataonareo.

Calie Rerodo de Jong

Encore un grand Merci à tous ceux et celles qui ont contribué à la réussite du Bazar de Noël de notre paroisse. Grâce à vos dons, à votre aide, votre présence, l’église francophone protestante de Washington a récolté près de $6000, le samedi 2 décembre.
Encore à tous Merci et Bravo!
Que Dieu vous bénisse,
Calie de Jong
 

Calie Rerodo 

International French Broadcaster VOA
 www.voanews.com/french
office: 202 203 4152
cell: 703 624 4421

 

Vaovao : Talata 12 Desambra 2006 amin'ny 7:00 PM
Madagascar's Silk Weaving Exhibition in Baltimore

Toerana:

The Cork Gallery
1601 Guilford Ave
Baltimore, Maryland 21202

A special one-night event
 
Solidarity As Strong As Silk
An Exhibition of Silk Weaving and Photography from Madagascar
 
Tuesday, 12 December 2006
Doors at 7 pm
 
The Cork Gallery
1601 Guilford Ave.
Baltimore, MD 21201
Entrance on Federal Street - Buzzer # 9 Fourth Floor
 
Co-Sponsored by
Megaphone Project
PRISM
Art on Purpose
 
Organized in Support of
Prism and the Firaisankina Silk Weavers Cooperative
 
For more information:
www.prism-media.org
 
 Please spread the word.

Vaovao : Asabotsy 16 Desambra 2006 manomboka amin'ny 3:00 PM

Fianaran-kira Chorale Noely 2006                         

Krismasy 2006  

Chorale Noely 2006

Ry Mpiara-mivavaka,

Tonga indray ny fankalazana ny Krismasy 2006, ho toy ny fanao dia manainga 
antsika rehetra tsy an-kanavaka mba hanomana izany fankalazana masina izany.
Izay vonona sy terem-panahy  dia mbola mitohy ny famerena-kira ny Sabotsy 16
Desambra 2006
. Araka ny fangatahan' ny rehetra dia hatomboka amin' ny
2ora tolakandro 
satria io no fotoana farany hamerenana ny hira. Koa
manainga antsika rehetra izay  mikasa hanao ny hira  amin' io andro hankalazana
ny Noely io mba  ho tonga hanatrika  ny famerenan-kira.
Ny toerana  dia mbola hatao ao amin' ny tranon' i
    Mme Jeanne Ranaivoson
    5013 ELSMERE AVENUE     BETHESDA MD 20814


Dia manantena ny fahatongavantsika maro.
Raha mila fanazana na fanampiana amin' ny fakana eny amin' ny metro dia
aza misalasala miantso:

Violette 202 332 3066
Bakoly 703-622-6652

Dia manantena ny fahatongavantsika maro.
Misaotra indrindra tompoko.
 

Vaovao : Sabotsy 23 Desambra 2006 amin'ny 3:00 ora hariva

Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana ho an'ny Malagasy eto Washington DC sy ny manodidina mba hiarahana hankalaza ny naterahan’ilay Mesia.

Krismasy 2006  

Noho ny fahatongavan’ny Krismasy izao, dia faly manasa antsika rehetra ny Komity mpikarakara ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana eto Washington DC sy ny manodidina mba hiaraka hankalaza ny naterahan’ilay Mesia. Ny fotoam-pivavahana dia ho tanterahina ny Sabotsy 23 Desambra 2006 amin’ny 3 ora hariva ao amin’ny fiangonana Wesley, Washington DC :

Wesley Theological Seminary

4500 Massachussets Ave NW

                        Washington, DC 20016

 

Ao aorianan’ny fotoam-pivavahana dia hisy fandraisana tsakitsaky sy fialana hetaheta. Koa manainga antsika mba hivimbina izay sahaza mba hiara-mifaly. Ny zava-pisotro sy ny kojakoja dia ho raisin'ny fiangonana anjara. 

Koa manasa antsika rehetra mba ho tonga maro sy hilaza ny tapaka sy namana izay tsy tratra antso.

 

Ho amintsika rehetra anie ny fiadananan’ny Tompo.

 

Ny Komity

 

NB: Manasa antsika rehetra izay te handray anjara rehetra koa ny komity mba hiantso na hanoratra an'ireto manaraka ireto:

Sitraka Ramarijaona: 703 398 4141  ramarijaona@hotmail.com
Violette Razanavelo: 202 332 3066                                             

Dia misaotra antsika amin'ny fandraisana anjara.

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

                                                                                                              Lioka 2:11 

      

                            

Faly miarahaba anareo tratry ny Krismasy 2006 izahay.

 

 Samy ho tratry ny taona vaovao 2007 indray e!

 

Andriamanitra anie homba sy hitahy anareo mandrakariva!!!

 

We wish all of you a Merry Christmas. Happy Birthday Jesus.
This is a birthday to celebrate. We hope everyone has a great time with
family and friends. Enjoy your Christmas... May it be filled with happiness and love.
And remember to live in the moment - the true essence of joy.

May God Bless and Keep you Safe.

Merry Christmas from our family to yours

 

 

Vaovao : Alakamisy 28 Desambra 2006 amin'ny 7:00 PM                

Fivoriana RSM Washington D.C.

RSM Washington DC

 Our next meeting will be held on
Thursday, December 28th, 2006 at 7:00 PM
at Ballston Mall "Food Court"

 

Committee Members, Parents of RSM-Washington players, 
 
RSM-Washington players, and RSM-Washington supporters

will need to come to this meeting.
 

“Enta-jaraina mora zaka e! So we hope to see you there."
 
 
 
Your input and suggestions are always welcome, so please feel free to write us at:
 
rsm_washingtondc@hotmail.com
 

Vaovao : Alahady 31 Desambra 2006  manomboka amin'ny 8:00 PM ka hatramin'ny 2:00 AM

Toerana:

The Anastasi Room
5020 Battery Lane
Bethesda, Maryland 20814

TONGA  ITY ILAY NANDRASANA!!!

HANOLOTRA NY KANTO SY NY MEVA HO ANAO NY "RSM WASHINGTON DC"...31 DESAMBRA 2006

     Ho famaranana ny taona 2006 sy ho fanomanana ny fandraisana ny RSM 2007

 izay hatao eto Washington D.C.

Ny RSM Washington D.C. , ny komity mpanomana, dia faly manasa antsika ho tonga hanotrona sy hanome voninahitra ny alim-pandihizana miavaka izay ho tontosaina amin'ny:

Alahady 31 Desambra  2006

8 ora alina - 2:00 ora maraina

Toerana:

Anastasi Room
5020 Battery lane
Bethesda, MD 20814

Hanafana ny lanonana ny:

     Myspace CodesGlitter GraphicsMyspace Codes, Myspace GraphicsMyspace Codes, Myspace GraphicsMyspace LayoutsMyspace CodesGlitter GraphicsMyspace Text Generator, Myspace GraphicsMyspace Codes, Myspace Graphics

Ny lanonana dia hatao eo ambany fiadidian' ny Masoivohon' ny Madagasikara,              

Rajaonarivony NARISOA sy Ramatoa vadiny.

 

Fandraisana Anjara:

Olon-tokana: $69
Olon-droa: $120
Mpianatra: $55 (mila karatra maha-mpianatra)
13 taona - 17 taona:$45
6 taona - 12 taona: $30
5 taona midina: Tsy mandoa vidim-pidirana
Free Food, Cash Bar

 Mbola misy toerana malalaka koa tongava hiaraka hifaly aminay. Azonao atao ny mamandrika toerana amin'ny alalan'ny antso an-tariby: 703 507 1127, 571 277 6214, 240 793 1870, 703 271 0042

Azonao atao ny manao Check, Money Order, na Traveller Check amin'ny anaran'ny:

RSM Washington DC
P.O. BOX 2657
MONTGOMERY VILLAGE, MD
20886

Raha mila Fanazavana fanampiny dia aza misalasala manontany:
 

Tel: 703 507 1127
        571 277 6214
        240 793 1870
        703 271 0042

E.mail:  rsm_washingtondc@hotmail.com

RSM-DC 2007
P.O. BOX 2657
MONTGOMERY VILLAGE, MD
20886


Hitanao ato amin'ity takelaka ambany ity ny ambangovangony:

http://www.masombahiny.com/rsmdcnewyearseve2006.html

Dia efa amboary dieny izao ary ny fandaharam-potoananao fa ny adidy moa ho vita ary ny fahafinaretana koa ho azo!...