Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao avy any amin'ny Masoivohon'ny Madagasikara eto Etazonia

Faly miarahaba antsika Malagasy rehetra monina aty Etazonia.

Misy Fanambarana tian'ny Masoivohon'ny Madagasikara ho zaraina amintsika Malagasy ireto ambany ireto:

- Fanambarana

- Daewoo Logistics Corp (DWL) Press Release

Vaovao : Asabotsy 20, Alahady 21 Desambra 2008

                  Fianaran-kira Chorale Noely 2008                         

Krismasy 2008  

 
Ny Famerenan-kira manaraka ny Antoko Mpihira dia

atao ny Asabotsy 20 Desambra 2008 manomboka amin'ny 3 ora hariva izay atao ao amin'ny tranon'i

Mr & Mrs RALAY
5314, Bangor Drive
MD-20895.

Ny Famerenan-kira farany dia atao ny Alahady 21 Desambra 2008 manomboka amin'ny 2:00 ao amin'ny:

 

4500 Massachusetts Avenue, NW

Washington, DC 20016

 

Dia manantena ny fahatongavantsika maro ary misaotra antsika mamaly ny antso


Misaotra indrindra tompoko.

 

Vaovao : Alakamisy 25 Desambra 2008 manomboka amin'ny 4:00 ora hariva

         Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana ho an'ny Malagasy eto Washington DC sy ny manodidina mba hiarahana hankalaza ny nahaterahan’ilay Mesia.

                                       
   
 
 
   

“Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho,

dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Lioka 2: 10, 11

 
 

Tonga indray ity ny fotoana hankalazana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy antsika ka manasa ny rehetra ho tonga maro hiara-hivavaka ny

25 Desambra 2008 amin’ny 4 ora hariva

ao amin’ny

4500 Massachusetts Avenue, NW

Washington, DC 20016

 

Aorian’ny fotoam-pivavahana dia hisy fampisehoana izay hataon’ny ANTOKO MPIHIRA ary hira sy tsianjery hataon’ny ankizy. Ary aorian’ny fampisehona dia hisy fiarahana misakafo hariva koa ianagaviana isika hisafidy amin’ny lisitra etsy ambany.

 

Marihina fa nisy ny fanasana nalefa tamin’ny paositra izay misy ny valopin-drakitra koa iangaviana izay tsy nahazo izany ka maniry ny hahazo izany mba hamaly ity hafatra ity sy hanome ny adiresiny. Iangaviana koa izay mahazo ity hafatra ity mba hampita azy amin’izay tsy nahazo.

 

Homba antsika hatrany ny Tompo,

Ny Komity

 
 
 
   
     
   
     
   

 

 

 

Menu

Safidy voalohany/First choice
- Vary sy Laoka (henakisoa sy ravitoto, vorontsiloza,
trondro, hena ritra, akoho)
 Rice and main dishes (pork and ground cassava leaves, turkey,
fish, beef, chicken)

Safidy faharoa/Second choice
- Fanokafam-bavony (crudités, macedoine, quiche, nems, sambos, etc.)
 Appetizers (salad, macedoine, quiche, fried sping rolls, sambos, etc.)
- Desera (voankazo, mofo mamy, bûche de noël etc.)
 Deserts (fruits, cake, yule log cake, etc.)
 

NB: Ialana tsiny ho an’izay nahazo ny fanasana tamin’ny paositra fa nisy diso kely. Marihina fa tsy azo hitondrana zava-pisotro misy alikaola ny toerana noho ny lalana mifehy an’i Wesley Theological Seminary. Ny rano tsotra sy ranom-boankazo kosa ary ny kojakoja samihafa dia ho raisin’ny fiangonana anjara.

Vaovao : Alahady 23 Novambra 2008, Alahady 7,14,21 Desambra 2008 manomboka amin'ny 3:00 PM

                          Fianaran-kira Krismasy ho an'ny Ankizy

 
 

 

KRISMASIN’NY ANKIZY

 
   
   
   
   

Ho Fanomanana ny Krismasy 2008 dia manasa  ny ankizy rehetra eto Washington DC sy ny manodidina, ary ny vahiny mandalo mba handray anjara amin'ny Krismasin'ny ankizy. Iangaviana koa izay mahazo ity fanasana ity mba hilaza izay tsy tratr'antso.

Famerenana

 
     
   

Alahady 23 Novambra, 7, 14, 21 Desambra 2008

 
   

3 ora tolakandro

 
   

2207 Greywing St.

Woodbridge, VA 22191

 
Marihina fa ny fanasana ho amin’ny Krismasy dia ho alefa afaka fotoana fohy

 

 

 

 

Vaovao : Alarobia 31 Desambra 2008 manomboka amin'ny 9:00 ora alina ka hatramin'ny 2:00 maraina

FETIN’NY FARAN’NY TAONA

 Ny Komity Mpandrindra ny RSM 2009

 dia faly manasa antsika rehetra hiaraka hankalazana ny figadonan’ny Taona 2009.

 Ny lanonana izay arahina sakafo sy alim-pandihizana (D.J. Micka) dia  eo ambanin'ny fiarovan'Andriamatoa Ambasadaoro, Solontena Maharitr'i Madagasikara eo anivon'ny Firenena Mikambana sy Consul Général-n'i Madagasikara eto New York, sy Ramatoa Zina Andrianarivelo-Razafy.

 

Hisy ny an-tsapaka hahazoana loka maro sy sarobidy!

 Fotoana:     Alarobia, 31 Desambra 2008

Ora:             9 ora alina – 2 ora maraina (Open Bar)

Toerana:       The Westwood

          438 North Avenue, Garwood, NJ  07027

Fanamiana: Mihaja

RSVP:         RSMtristate@yahoo.com

 

Ny vola voangona rehetra dia ho atokana tanteraka amin’ny fanatontosana ny lalaom-pirahalahina RSM 2009.

  Ny fanampim-baovao rehetra dia ho hita ao amin’ny  www.rsmalagasy.com/eve2009

 

NEW YEAR’S EVE BALL

 The Tri-State RSM 2009 Committee

 Cordially invites you to ring in 2009 in fun, style, and elegance!

 This evening of fine dining, dancing and entertainment (D.J. Micka) will be under the high patronage of His Excellency Ambassador, Permanent Representative of Madagascar to the United Nations, Consul General of Madagascar in New York, and Ms. Zina Andrianarivelo-Razafy.

 

 Win fabulous prizes through raffle drawings!

 

Date:           Wednesday, December 31st 2008

Time:          9:00pm-2:00am (Open Bar)

Location:    The Westwood

                   438 North Avenue, Garwood, NJ  07027

Attire:         Formal

RSVP:         RSMtristate@yahoo.com

  

 All proceeds will benefit the organization of the RSM 2009 –

a non-profit sporting event to benefit the Malagasy Community in North America.

 For more details and updates, please visit www.rsmalagasy.com/eve2009

 Reservation / Payment


 

Guest

Price / Pers

Qty

TOTAL

Gold Sponsor**

$150.00

Adults 17+(1)

*$85.00

Youth 13 – 16

 $55.00

Kids 5 – 12

 $45.00

Toddlers 3 – 4

Free

 

Babies 0 – 2

Free

 

After December 26th*

$15.00 add.

TOTAL

 

 

 

** Gold Sponsors will receive VIP Treatments such as: reserved table, complimentary wine and champagne.

 

Please confirm the number of Toddlers or Babies if applicable.

 

(1)*Payment received after December 26th will have an additional fee of $15.00 per person.


  ·        Please make Check/ Money Order payable to:

 

Carol Razafindrakoto 
10 Waterside Plaza, Apt 10A
New York, NY 10010

 

·        By paypal to RSM-Tristate@hotmail.com 

 

 Click to zoom in on my visitor map!
 

 

Free Myspace Maps from ModMyProfile.com