Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Alakamisy 12 Febroary 2009 amin'ny 8ora alina

                  Fiarahana Mivavaka ho an'i Madagasikara

'Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin'ny tany, na inona na inona angatahany, dia ho azony avy amin'ny Raiko izay any an-danitra izany' Matio 18, 19.

 Maro amintsika ny mahalala sy manaraka akaiky ny toe-javatra mitranga any Madagasikara amin'izao fotoana izao. Efa ho herinandro vitsivitsy izay dia nisy ireo fihetsiketsehana ara-politika sy ara-tsosialy samihafa tamin'ny faritra maro manerana ny Nosy izay niteraka famoizana ain' olona maro, sy koa ireo izay naratra mafy ary ao ihany koa ny zavatra simba sy may.

Noho izany toe-javatra izany dia manentana antsika Malagasy sy namana rehetra aty ampitan-dranomasina  mba:

Hiombom-peo amin' ny fiaraha-mivavaka any an-tokantranony avy amin' ny Alakamisy 12 Febroary 2009 amin’ny 8 ora alina. Koa entanina isika rehetra mba hampitsahatra izay zavatra fanaontsika andavanandro amin' io ora io ka hiara-mitodi-doha  amin' ny Ray; hangataka sy hitrotro am-bavaka ny tanindrazantsika mba hisian' ny fandriam-pahalemana, firaisan-tsaina, filaminana ary koa hivavaka ho an'ireo izay maratra sy ho an'ny fanahin' ireo izay namoy ny ainy ary fampiononana ho an' ny fianakaviana izay nilaozany.

Ny Fahasoavana avy amin' Andriamanitra Ray, ny Fiadanana atolotry Jeso Kristy ary ny Firaisana avy amin' ny Fanahy Masina anie homba sy hampahery antsika rehetra amin' izao fotoan-tsarotra diavin' ny Tany mamintsika izao.

Homba antsika rehetra anie ny Tompo.- Amena

 

Ny Ray aman-dreny am-panahy: Pastora Hoda Zavandro sy Pere Romuald Rakotondrabe;

ary ny Komity Mpikarakara ny Fiaraha-mivavaka eto Washington D.C. sy ny manodidina