Ry
Malagasy monina eto
Washington, DC sy ny
manodidina:
Amin'ny finoana sy fanantenana ny
fitsanganan'ny tena amin'ny maty no hilazana
fa ny hava-malala:
Andriamatoa
Gérard Fidèle RABEMANANJARA
Dia
nantsoin’ny Ray hody any aminy teo amin’ny
faha 48 taonany, tany Libéria.
Hoy :
Ny vadiny:
RABEMANANJARA RAKOTOARIVELO Hanitriniony
(USA)
Ny zanany:
RAHARINJATOVO Rovasoa Niaina
RABEMANANJARA Tantely Matthieu (Japon)
RABEMANANJARA Kantoniony Muriel (USA)
RABEMANANJARA Riana Mickaël (USA)
sy ny fianakaviana manontolo.
Ratompokolahy dia niara-nonina tamintsika
teto Washngton
DC. Araka ny fehim-pihavanana Malagasy eto
Washington DC sy ny manodidina dia
hisy ny famangiana manjo izay hatao ao
amin'ny:
18924
Montgomery Village Avenue,
Montgomery Village MD 20886
ny Zoma 25
Febroary 2011
amin'ny fito ora sy sasany hariva (7:30pm)
mba hanatanterahana ny famangiana manjo
voalaza etsy ambony.
Ity no fampilazana ka mba ampitao ireo
tapaka sy namana manodidina azafady.
"Arovy aho Tompo, Atolotro
izao, Ny tenako hanompo, Sy hankalaza anao, Omeo
ahy ny hery, Sy faharetam-po, Arovy tsy ho
very, Izay
anjarako ."
Misaotra Tompoko.
Vaovao :
Asabotsy 26 Febroary 2011 amin'ny 3:30PM
FILAZANA MANJO SY FAMANGIANA
Ry
Malagasy
Tapaka sy Namana eto Washington, DC sy ny manodidina,
Tompoko,
Amin'alahelo lehibe no hampandrenesanay
anareo fa nantsoin'ny Ray hody any aminy
ny Ray malalany i
Alima
SOLEMAN
Araka ny fombantsika eto Washington DC
sy ny manodidina dia hisy ny fiaraha-miory
amin'ny fianakaviana araka ny fehim-pihavanana
Malagasy ny:
Ny Sabotsy 26 Février 2011
Ora: 3:30 PM
Toerana: Eglise
Adventiste Française Francophone
Washington Adventist University Campus
7600 Flower Avenue
Wilkinson Hall, Suite
406
Takoma
Park, MD 20912
"Ho an 'Andriamanitra
irery anie ny voninahitra."
Ity no solon'ny fampandrenesana ka dia aoka isika
mba hifampilaza azafady.
Ry
Malagasy monina eto
Washington, DC
sy ny manodidina:
Amin'ny finoana sy fanantenana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty no
hilazana fa ny hava-malalanay:
Ambasadaoro RAJAONARIVONY Narisoa
Dia nantsoin'ny Ray hody
any aminy teo amin'ny faha-55 taonany, tany Madagasikara ny Alahady faha-27
Febroary 2011.
Hoy :
Ny vadiny: RAJAONARIVONY RAKOTONIRAINY Rondrosoa
Ny zanany: RAJAOMANERA Tinarisoa mivady sy ny zanany RANDRIA HARVEL Michael mivady sy ny zanany RAJAONARIVONY Narindra
sy ny fianakaviana manontolo.
Araka ny
fehim-pihavanana Malagasy eto Washington DC
sy ny manodidina dia hisy ny
famangiana manjo izay hatao ao amin'ny:
13617 Dover Cliffs place,
Germantown MD 20874
Ny Alatsinainy 28 febroary 2011 amin'ny fito ora sy sasany hariva (7:30pm)
Ity no fampilazana ka mba ampitao ireo tapaka sy namana manodidina azafady
(Mbola
toerana vaovao io Adiresy io ka mety tsy ho hitan'ny GPS ka iangaviana isika izay
tsy mahita ny toerana mba hijery mapquest)
http://www.masombahiny.com Heaven is a gift. Jesus is Lord. Exciting and uplifting web site with many things to ponder!