Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Alahady 02 Jolay 2006 manomboka amin'ny 8:00 PM

Marovavy Productions dia faly manolotra ho anao:

Kalokalo miaraka amin'i

Rija Ramanantoanina, Mahery, Luc

izay atao ao amin'ny

The Cutting Room
19 West 24th Street
Between 5th & 6th Ave
New York City, NY 10012

Vidim-pidirana:

17 taona miakatra : $65
10 -16 taona:      $30

Free Food, Cash Bar

Information:
 

Tel: 347 448 6200
       917 969 3644
        917 601 7401
E.mail: marovavy@yahoo.com 

Washington DC sy ny manodidina
Bakoly Ravaonirina
Tel: 703 796 0087
       703 622 6652

Hitanao ato amin'ity takelaka ambany ity ny ambangovangony:

http://marovavy.funtigo.com

Faly miarahaba antsika malagasy eto Washington sy ny manodidina,
 
 
Voalohany indrindra aloha dia misaotra anareo tanora, zanaka ary Ray aman-dreny nandray anjara tamin'ny RSM 2006 tany New york iny.
Tena faly dia faly tokoa ny nahita ny fifankatiavana sy ny filalaovana nahafam-po tamin'ny rehetra.
Misaotra an-tanan-droa ireo Ray aman-dreny nanampy tamin'ny zavatra maro, hivaly ho avo heny anie ny soa nataonareo tamin'ity ary hatramin'izay.
 
Raha tsy nisy anareo nanosika anay tao ambadika dia tsy ho tonga amin'izao toerana izao ireo mpilalao.Misaotra ihany koa ireo nanaraka ny dianay hatrany na dia tsy nilalao aza fa dia nihoraka namporisika ireo mpilalao.
 
Raha tadidinareo 4 taona lasa izay, mbola vitsy dia vitsy tokoa ny mpandray anjara ary tamin'ity indray mitoraka ity dia  nisy teo amin'ny 50 mianadahy mianaka ny mpandray anjara avy eto Washington sy ny manodidina.
 
Matoa ny zavatra toa izao no tanteraka  dia nisy ny fiaraha-miasa koa dia mahafinaritra ny fiaraha-miasa ary hitohy hatrany anie izany.
 
Mba hampitampitao any amin'ny rehetra izao hafatra izao ho an'ireo tsy fantatray ny adresy.
 
Mbola misaotra anareo tsirairay hatrany izahay mpikarakara ny RSM 2006.
 
RSM DC 2006.
  
-------------------------------------------------------- 
 
Dear all,
 
The RSM DC 2006 would like to thank you all for the great job you did.
 
We have a great team and we always work as a team.
 
We thank all people who help us to make this trip fun especially the Mamas.
 
It was so funny when the Canada team told me, this is not fair the Washingtonian have a coach and have jersey and we don't.We did a great a job team and make the washingtonian proud ,it's not about jersey or coach but the team work that count.
 
Please forward our thankS to all the people you know, we don't have everyone e-mail.
 
Thank you again.
 
RSM DC  2006

RSM 2006 - Pictures

Please check those amazing pictures taken out by Landry (NY)
http://www.actionpacked.net/photos/rsm2006/
Please pass it around.
Thanks a lot Landry


Farrah Malala
6809 Canal Bridge Ct
Potomac, MD 20854
(301)983-3129

Vaovao : Alahady 16 Jolay 2006 manomboka amin'ny 1:00 PM

Come and join all the RSM DC 2006 participants to a picnic on sunday july 16
starting @ 1pm. Bring some food, drinks, games, cards, guitars and balls and
let's all celebrate!

Location:
Great Falls Park
9200 Old Dominion Dr.
McLean, VA 22101

For directions, please follow this link:
http://www.nps.gov/gwmp/grfa/faqs/directions.htm

RSM DC 2006 Committee



Manao ahoana daholo isika Malagasy eto Washington sy ny manodidina,
 
Fisaorana sy fakantelemana no atolotray mpikarakara ny RSM 2006 eto DC amin'ny zavatra nataonareo maro, na ny Ray aman-dreny , na ny Dadabe sy Bebe na ny tanora sy ireo ankizy madinika nanaraka sy nanampy ary nanohana ny RSM DC hatramin'ny taona 2002, tsy tanteraka ny toa izao raha tsy nisy ny fiaraha-miasantsika rehetra eto DC
 
Fisaorana lehibe no atolotra ireo mpilalao nandray anjara hatramin'izay ka nanome voninahitra lehibe ny mponina eto Washington DC sy ny manodidina.
 
Misaotra ireo vahiny maro nanotrona sy nanampy ny mpilalao avy any amin' tany lavitra.
 
Isika no nahazo ny amboara voalohany teo amin'ny Volley-ball sy Basket-ball , laharana faharoa izay resy amboninahitra teo amin'ny soccer,  ary ny eo amin'ny petanque izay vao nanomboka nandray anjara voalohany isika teto Washington tamin'ity taona ity dia tsy naha-menatra ny zavabita tamin' ity RSM 2006 tany NY iny.
 
Hitohy hatrany anie ny fifankatiavana, fihavanana ary ny fiaraha-miasantsika eto Washington DC sy ny manodidina.
 
Manaraka izany dia nahafinaritra tokoa ny fiarahana tamin'ny picnic ny Alahady 16 Juillet 2006 teo ary misaotra be dia be ho anareo izay namaly ny antso na dia fotoana fohy monja aza no nandefasanay ny fiantsoana, manetsa be mbola ho avy ho an'ireo izay tsy afaka.
 
Eto dia alefanay eo ambany ny taratasy fisaorana nalefan'ireo mpikarakara MYP avy any New York.
 
Izay indray aloha fa hitohy hatrany anie ny fihavanana.
 
P.S: Azafady raha mba afaka cc-nareo any amin'ny olona izay fantatrareo ity fa tsy hananay daholo ny contact ny olona rehetra.Dia misaotra mialoha.
 
Ny komity mpikarakara ny  RSM DC 2006

-----------------------------------------------------
 
Subject: Fisaorana avy @ MYP TriState
Date: Sat, 15 Jul 2006 19:21:46 -0400

Faly miarahaba antsika rehetra ny MYP TriState.

Ny MYP TriState dia maneho fisaorana manokana feno fankatelemana ho anareo
izay tonga nanatrika sy nandray anjara t@ RSM 2006 izay natao teto New York
City ny 1 sy 2 Jolay 2006.

Dia manantena fa hitohy hatrany ny RSM ka hifankahita soa aman-tsara indray
isika.

Ary koa, hitohy sy hitombo hatrany anie ny fifankatiavana sy fihavanana izay
efa misy eo amintsika.

Ny MYP

Vaovao : Alahady 26 Jolay 2006 manomboka amin'ny 7:30 PM
 

Don't miss this Wednesday show at Bangkok Blues  from 7.30pm . Let's groove again . More latin stuff with some latin percussionist !
Tala FARAL