Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Alakamisy 01 Jona 2006 manomboka amin'ny 9:00PM - 12:00 AM

POTOMAC JAZZ FEATURING TALA FARAL ON KEYBOARDS

THURSDAY 6/1 AT FELIX ,

ADAMS MORGAN ( 18TH ST) FROM 9PM -12AM.
 

Tala FARAL

Vaovao : Alahady 04 Jona 2006 amin'ny 2ora sy sasany tsy diso

Wesley Theological Seminary

4500 Massachussets Ave NW

                        Washington, DC 20016

FIANGONANA ARA-PILAZANTSARA - FIARAM

 FANASANA
 
Ny Pastora SOLOFO RATSIMISETA RALIJAONA,Sampana FIARAM aty Amerika Avaratra, Atsimo ary Afovoany dia:
 
Faly manasa anareo ny amin'ny fotoam-pivavahana izay atao hankalazana ny PENTEKOSTA.
Daty:  Alahady 04 Jona 2006
Ora:2  ora sy sasany hariva tsy diso
Toerana:
                            WESLEY THEOLOGICAL SEMINARY
                             4500  MASSACHUSSETT.AVENUE
                                      WASHINGTON   DC 20016
 
Ny mpitarika sy hitondra ny Tenin'Andriamanitra:
                             Pastora SOLOFO RATSIMISETA RALIJAONA
Ny hafatra: NY FANAHY MASINA ( ny ahazoana Azy,ny Fiasany,ny Fitondrany )
 
Koa manasa anao ho tonga fa hampitombo ny Fahasoavana eo amin'ny fiainanao izany
 
VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY.

Vaovao : Sabotsy 10 Jona 2006 hatramin'ny sasak'alina

 
 
 
TWO-DAY BLOW OUT TICKET SALE... 
ONLY $35.00!!! 
 
IF you don' t want to miss this special price  
before this offer ends on Saturday,  
June 10 2006 at midnight 
 
Buy your ticket now, using our secure site 
 
Other payment options  available 
click here
ROA ANDRO SISA... VARO-BOBA  
$35.00 FOTSINY!!! 
 
Sara-pidirana manokana  raha 
vidina alohan' ny Asabotsy 10 Jona 2006 
misasakalina ny Tapakila 
 
Azonao fandrihana eto ny toerana
 

Vaovao : Alarobia 21 Jona 2006 manomboka amin'ny 6:00PM - 8:30 PM

Madagascar and Ody-Gasy Band at the National Zoo

Mamangy ny rehetra,

Faly mampita izao hafatra avy amin'ny
The Smithsonian Associates (TSA) izao
ho antsika rehetra izay tsy mbola nahita ny antso.

Mikarakara fiaraha-misakafo sy mikorana ankalamanjana
ho azy mpiara-miasa ny namana ao amin'ny Smithsonian,
ka amin'ity taona ity dia ao amin'ny National Zoo eto
Washington DC no hataony izany, ary i Madagasikara no
lohahevitra entiny hitondrany ny fihaonany, raha i Brazil
izany tamin'ny herin-taona.

Ity ny takelaky ny Smithsonian mikasika ity lanonana ity:
http://residentassociates.org/perf-arts/madagascar.asp

Ankoatran'ny biby sy zavamaniry avy any amintsika izay hita
ao amin'ny Washington DC National ZOO, dia nanasa
ny Ody Gasy band ny Smithsonian hanafana ny lanonana, ary
karazantsakafo fandrosontsika any Madagasikara no harosony
ho an'ny vahininy vitsivitsy izay ho avy hanatrika ny fotoana
karakarainy amin'ny:
Alarobia hariva 21 Jiona, 2006 amin'ny 6 to 8:30pm.

Mamerina ny fanamarihina fa ny Smithsonian no MAMETRA
ny isan'ny olona afaka manatrika ny fotoana, koa mba
tsy hahavery toerana anao dia antsoy izao dia izao ny
202-357-3030, ary mba hahalalany anao dia ambarao aminy
fa isan'ny "Friends of Madagascar" maniry ny hanatrika
ity lanonana ity ihanao. Voafetra ny toerana kanefa
maro ny manina an'i Madagasikara, koa maniry anareo
izay hanatrika ny fotoana ho tafahaona soa any amin'ny
ity toerana ity avokoa.

Njakalahy
 

Dear Friends,

Madagascar will be featured at the National Zoo in DC on June 21, 2006 from
6 to 8:30pm. This year under The Smithsonian Associates (TSA)'s annual evening
picnic, TSA brings you a taste of Madagascar right here in Washington. From
the animals (including the famous lemurs) to food with a Malagasy flair and
live music (Ody-Gasy band), it is a family event not to be missed.

Here is the link to the event:
http://residentassociates.org/perf-arts/madagascar.asp

This event is closed to the general public, however, if you are interested
in attending, TSA has extended the invitation to the "Friends of Madagascar" by
calling and purchasing tickets at 202-357-3030.

Vaovao : Zoma 23 Jona 2006 manomboka amin'ny 9:00PM - 1:30 AM

TONGA  ITY 'LAY NANDRASANA!!!

HANOLOTRA NY KANTO SY NY MEVA HO ANAO NY "ZOVY BAND"...23 JONA 2006

Anastasiroom
5020 Battery lane
Bethesda, MD 20814

 

MIVOY CORPORATION
Zovy Band, PO Box 41291
VA  22204-8291

                       Ho fankalazana ny fahatsiarovana ny fitsingerenan'ny tonon'andro nahazoan'i Madagasikara fahaleovantena, izahay komity mpanomana, dia faly manasa antsika ho tonga hanotrona sy hanome voninahitra ny alim-pandihizana izay ho tontosaina amin'ny

23 Jona , 2006

9ora alina - 1:30 maraina

Toerana:

Anastasiroom
5020 Battery lane
Bethesda, MD 20814

miaraka amin'ny:

Zovy Band

Ny lanonana dia hatao eo ambany fiadidian' ny masoivohon' ny Madagasikara,               RAJAONARIVONY Narisoa sy Ramatoa vadiny.

Dia efa amboary dieny izao ary ny fandaharam-potoananao fa ny adidy moa ho vita ary ny fahafinaretana koa ho azo!...

Book your seat right now!!!
True music from Madagascar, real taste of the Malagasy food;
the best ambiance with "Zovy Band"...what else? Well, "come and see"

Informations / Reservation:
Fara Garcia:             703 842 1385
Fara Rakotomalala: 301 495 9421
Miravola Randria:   703 271 0042

Vaovao : Alahady 25 Jona 2006 manomboka amin'ny 2:30 PM

Fotoam-pivavahana fangataham-pitahiana ho an'ny Tanindrazana sy ireo mpiray Tanindrazana rehetra

 

" An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy."     Salamo 24:1

 

Ry mpiara-mivavaka eto Washington DC sy ny manodidina,

Nohon'ny Fahatongavan'ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy izao, dia faly manasa antsika rehetra ny Komity mpikarakara ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana mba hiara-hidera sy hankalaza ny anaran'Andriamanitra, ary koa ho fangataham-pitahiana ho an'ny Tanindrazana sy ireo mpiray Tanindrazana amintsika. Ny fotoam-pivavahana dia ho tanterahina amin'ny alahady 25 Jona 2006, amin'ny 2 ora sy sasany, ary hatao ao amin'ny fiangonana:

Wesley Theological Seminary

4500 Massachussets Ave NW

                        Washington, DC 20016

 

Ao aorinan'ny fotoam-pivavahana dia manasa antsika rehetra hiaraka hiala hetaheta sy handray tsakitsaky ho fiaraha-mifaly. Ny zava-pisotro sy ny kojakoja isan'karazany dia raisin'ny fiangonana andraikitra, fa ny momban'ny tsakitsaky ( mofomamy, nem, sambos...) dia manainga antsika mba samy hivimbina izay sahaza hiarahan'ny mpianakavy mifampizara.

 

Aoka isika mba hifampiantso sy hifampandre ka hifampilaza izao fiaraha-mivavaka izao satria mety misy ireo olona tsy mahazo ny fanasana nohon'ny antony maro samihafa. Ary dia manainga antsika rehetra ho tonga maro.

 

Ho amintsika anie ny fahasoavana sy ny fiadanan'ny Tompo.

 

Ny Komity,

703 494 4549

202 557 8339

fiangonanadc@yahoo.com

www.geocities.com/fiangonanadc

 

Ny komity dia manasa antsika hatrany izay te hanolon-tena amin'ny fanatanterahana ny fiaraha-mivavaka. Toy ny famakian-teny, fanatazana ny rakitra sns... Tsara raha miantso mialoha ny Komity mba handaminana ny amin'izany.

Tsy adino eto ihany koa ny fanomanana ny fampirimana ny trano Fiangonana ary ny toerana hialana hetaheta. Izay vonona dia hiangaviana mba ho tonga alohan'ny fotoam-pivavahana.

Faly miarahaba antsika rehetra Malagasy eto Washington, DC sy ny manodidina,
 
 
Araka ny filazana efa nalefa tamintsika rehetra teo aloha dia raikitra soamantsara ny RSM '2006 izay ho atao any New York amin' ny 1 sy 2 Jolay, 2006 ho avy izao ao amin'ny Riverbank State Park.
 
Toy izao ny fandaharana amin'izany araka ny azonay avy any amin' ny komity mpikarakara any New York:
 
Asabotsy 1 Jolay 2006 amin'ny 8.00 AM ny VOLLEY BALL
 
Misakafo atoandro (Lunch)
 
Asabotsy 1Jolay, 2006 Tolakandro (afternoon)  ny BASKET-BALL
 
Ny Asabotsy 1 Jolay, 2006 io ihany koa no hanaovana ny PETANQUE.
 
Alahady 2 Jolay, 2006 maraina SOCCER
 
Alahady 2 Jolay, 2006 Tolakandro ny fizarana ny Trophies.
 
 
Nivory ireo mpitarika ny sampana sport tsirairay avy tamin' ny Asabotsy 20 May 2006 lasa teo. Maro ny zavatra nodinihana sy notapahana tamin'izany ka indro homenay anareo eto ny ambangovangony:
 
Toy izao ny isan' ny mpandray anjara isan-tsampana ao anaty ny lisitra sy efa tonga niomana hatramin'izay:
Ary satria moa betsaka ny zavatra tsy maintsy atao sy hilana fanampiana dia miangavy izay rehetra mazoto sy afaka hanampy  amin' ny fanantontosana ity fandehanana sy fandraisantsika anjara any New York ity izahay.
 
Ireto avy ny ambangovangony hilaina fanampiana:
 
 1-Mila mitady trano hipetrahana ho an'ny mpilalao sy ny mpanohana isika.
Misy eo amin'ny 50 eo ny mpilalao fotsiny ary isika mpanohana mbola tsy fantatra ny isany.
Hitantsika ihany fa fotoanfialan-tsasatra ny mpianatra sy ny tourisme izao ka mazana ihany ny mitady hotely ao Manhattan, NY.
 
Ny iangavianay raha mety misy mahita dorm, na fiangonana na toerana malalaka ahafahana matory dia tsy maninona na handoavam-bola aza fa tsy lafo loatra.
Raha afaka mba mahita toerana manodidina na any New Jersey fa kosa mba akaiky ny http://nysparks.state.ny.us/parks/info.asp?parkID=75 izay hanaovana ny lalao.
 
2- Mila mitady fitanterana ahafahana mitondra ireo ankizy maro.
 
Ireto misy soso-kevitra azo raisina ary raha misy amintsika mahita vaha olana hafa dia mba hilazao haingana anie izahay:
 
3- Mila maillot ny mpanao Volley-Ball sy Petanque
 
4-Mila rano (H2O)Gatoraide, fruits, cups ary sakafo maraina ny mpilalao rehetra.
 
5-Mila First-Aid kit
 
Ireo aloha no zavatra hitanay fa tena hilana fanampiana fa raha misy aminareo mbola mahita zavatra hafa sy afaka hanampiana dia aza misalasala manoratra ao amin'ny  rsm_dc@yahoo.com na miantso ny ray aminay 5 mianadahy.
 
Raha vonona te-hanampy ianareo dia tongava ny Asabotsy amin' ny 4:00PM any amin' ny Volley ball na ny Alahady maraina any amin'ny Soccer na eny amin'ny Basket ball ny Alahady hariva amin'ny 6.30 pm dia afaka miresaka amin'ny Joel, Benoit, Miravola, Farrah ary Bakoly.
 
Dia mbola mamerina ny fisaorana antsika rehetra amin'ny fiaraha-miasa.
 
Ireo mpitarika ny RSM eto Washington, DC sy ny manodidina.
 

Manao ahoana daholo isika mpandray anjara RSM,
 
Araka ny efa nolazaina teo aloha dia isika ihany no mikarakara ny toerana hivantanantsika amin'ny RSM any New York.
Efa nikarakara izahay nitady toerana toy ny Fiangonana sy ny Gymn mba ahafahana miara-mipetraka, efa nanao demande ny RSM NY  nangataka fiangonana sy toerana hafa ary nivaly tamin'ny Alarobia teo fa tsy azo ireo toerana ireo.
 
Efa nandefa  listra ny Hotely ahazoana hipetrahana izahay, Maro ny Hotely manodidina ny Riverbank State Park fa ity no hitanay fa mba azoazo ny vidiny.
 
Io ambany io ny ambangovangony rehetra.
 
Afaka mifampizara ny Hotely satria mahazaka olona 4 isaky ny chambre.
 
Raha mila fanazavana dia aza misalasala miantso an'i
 
Farrah 301-983-3129
Bakoly 703-622-6652
 
Ny Komity mpikarakara
 
                                -------------------------------------------------------
 
 
The RSM will be held at the Riverbank State Park, 679 Riverside Dr, New York, NY.
 
Here is the list of hotels that we got from the NY committee. Unfortunately the hotel I told you about, Riverside Tower Hotel, is booked for that day.
 
We did find another solution though. There is a Holiday Inn in Fort Lee, NJ. It is located 10 minutes from the place where the RSM will be held.
Discounted rate for a 2-queen beds room is $99.99 + $14 tax (total $113.99). However advance purchase is required to get that rate an it is not refundable. Normal rate is $129.99 + tax.
 
As we do not have a lot of time left, we decided to hold some rooms at that hotel (discounted rates can only be held for 24 hours). If you want to make reservations, please contact them at 1-800-448-2296 before midnight on june 12 and mention the names Farrah Malala or RSM DC.
Holiday Inn
2339 Route 4 East
Fort Lee, NJ 07024
 
RSM_DC

Hello to you all,
 
 
I hope all of you read this announcement ...and please forward this to everyone because I don't have their e-mail.
 
We are going to try leaving Maryland around 2 am on Saturday July 1 .
 
I will send you an e- mail  or if you have another suggestion please tell me.
 
The RSM will be held at the Riverbank State Park, 679 Riverside Dr, New York, NY.
 
Here is the  hotel that we got from the NY committee.
 
 Most of people from DC are staying at Holiday Inn in Fort Lee, NJ. It is located 10 minutes from the place where the RSM will be held.
I don't know if they still do the advance purchase ,not  refundable, but try to call if you haven't booked your hotel yet.
 
If you want to make reservations, please contact them at 1-800-448-2296
 
Holiday Inn
2339 Route 4 East
Fort Lee, NJ 07024
 
Directions from DC area to Riverbank State Park:
- Take I-95 NORTH
- Take I-295 exit toward NEW JERSEY TURNPIKE/DEL MEM BR/NY-NJ
- Continue on NJ TURNPIKE NORTH
- Continue on I-95 North
- Take exit #1/ RT A onto W 178TH ST (US RT 9)
- Turn right on Broadway
- Turn right on W 147TH ST
- Turn left on Riverside Dr
- entrance to the park is on 145th and Riverside Dr
 
 
Directions from Riverbank State Park to Holiday Inn:
- Start at 679 RIVERSIDE DR, NEW YORK going toward W 145TH ST - go 1.2 mi
- Take ramp onto I-95 SOUTH toward G W BRIDGE - go 2.8 mi
- Take exit #72A onto RT-4 WEST toward PARAMUS - go 0.7 mi
- Take ramp toward JONES RD - go 0.2 mi
- Turn left on JONES RD - go 0.1 mi
- Turn left onto RT-4 EAST - go 0.5 mi
- Arrive at 2339 STATE RT 4, FORT LEE, on the right

Bacool

Manao ahoana daholo isika rehetra,
 
Mino izahay fa efa vonona isika avy aty Washington hiatrika ny fifaninana any New York.
Araka ireny efa nolazaina tamintsika ireny dia amin'ny ASABOTSY 1 JOLAY na JULY 1, 2OO6   amin'ny 2 ora maraina na 2 AM Isika no hiainga ho any New York.
 
Eny amin'ny I- 95 NORTH lalana mankany Baltimore no hiaonan'ny fiara rehetra.
 
Eo amin'ny REST AREA / MARYLAND WELCOME CENTER aorian'ny  exit 35 
 
 Mivoaka exit ny Rest Area apres exit 35.
 
Raha mila fanazana na very eny an-dalana dia aza misalasala miantso anay.
 
Bakoly 703-622-6652
Farrah  301-983-3129
 
*******************************************
 
Hello you all,
 
We hope that everyone are ready for the RSM in New York !
 
As we said and we  e-mail to you before we are leaving Washington DC on
JULY 1,2006 at 2AM .
 
We are going to meet  in Maryland on I-95 NORTH toward Baltimore.
 
There is REST AREA / MARYLAND WELCOME CENTER after exit 35.
 
 
The rest area  is on the right side of the I-95  just follow the signs.
 
If you need some more information please feel free to call us.
 
Farrah 301- 983-3129
Bakoly 703-622-6652
 
 
RSM 2006

Filazana manjo
 
Amin’ny alahelo lehibe, no ampandrenesanay anareo fa ny hava-malalanay :
 


 
 
RABOANARIELINA Nicolas Marie Jean
(Mpiasan’ny P.T.T. retraité)
dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 29 Jona 2006.
 
 
Hoy :
Ny vadiny :
RAZAFIARIVELO Achillée Pascal
 
Ny zanany :
RABOANARIELINA Tovonirina Marie Michaël sy Cara (USA)
RABOANARIELINA Niniharivelo Judichaëlle sy Mémé
RABOANARIELINA Herinanaherinana Alain Michel sy Roby
 
Ny reniny :
RAHANTAMALALA Jeanne Meltinne (vady navelan’Itompokolahy RABOANARIELINA Marie Joseph)
 
Ny iray tampo aminy :
RABOANARIELINA Ferdinand mivady sy ny zanany
RAHANTAMALALA Zoé sy ny zanany
RABOANARIELINA Fidèle mivady sy ny zanany
RABOANARIELINA Réné
RABOANARIELINA Gisèle Hanta mivady sy ny zanany
RABOANARIELINA Odon mivady sy ny zanany
RABOANARIELINA José mivady sy ny zanany
RABOANARIELINA Lucille mivady
RABOANARIELINA Yves mivady sy ny zanany
 
Ny fianakaviana Ambohitrimanjaka
 
Ny iray tampo amin’ny vadiny :
Terak’Itompokolahy Ernest
 
Ny fianakaviana manotolo
Ny fiangonana Sacré Coeur Ambatondrazaka
Ny fokontany Sabotsy Atsimondrova Ambatondrazaka
Ny fokontany Antsahatanteraka Ambatondrazaka
Ny mpiara-miasa taminy tao amin’ny P.T.T. Ambatondrazaka
 
Ny nofony dia hiala ao Sabotsy, Lot 12.310 C – Cité Sabotsy, Ambatondrazaka ny Asabotsy 1 Jolay 2006 amin’ny 2 ora sy sasany maraina. Hoentina any amin’ny fasandrazany any Ambohitrimanjaka Antananarivo.
 
 
« Jehovah no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho ». (Sal : 23:1)
 
 
Tovo and Cara Raboanarielina
1366 N. Atherton Street
State College , PA   16803
(814) 237-2973