Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Asabotsy 9 Jona 2007 manomboka amin'ny 3:30 PM

Fianaran-kira Chorale Fetim-pirenena 2007.

Miarahaba antsika rehetra,

Tonga indray ity ny fotoana hiarahantsika Malagasy mpiray tanindrazana
mivavaka dia ny Fankalazana ny Fetim-pirenena Malagasy.

Ho fandraisantsika antokom-pihira (chorale) anjara amin' ny fiaraha-
mivavaka Malagasy dia miantso antsika izay vonona handray
anjara amin' ny antokom-pihira mba ho tonga hanatrika ny fianaran-kira ny :

Asabotsy 09 Jona 2007 manomboka amin' ny 3ora sy sasany hariva.

Ny toerana hanaovana izany dia atao any amin' i

Madame Jeanne Ranaivoson
5013 Elsmere Avenue,
Bethesda Md 20814


Mba ampitampitao amin' ireo izay te-handray anjara ny chorale
Fetim-pirenena 2007 ity hafatra ity azafady.

Maniry ny fahatongavantsika maro ary misaotra antsika mamaly ny antso.

Violette

 

Vaovao : Alahady 17 Jona 2007 manomboka amin'ny 4:00 PM

Fianaran-kira Chorale Fetim-pirenena 2007.

Miarahaba antsika rehetra,


Mankasitraka indrindra ho anareo izay tonga nanatrika ny fianaran-kira tamin' ny Asabotsy lasa teo. Ary mamerina ny antso ho antsika rehetra izay mbola vonona ho tonga hanatrika ny famerenan-kira manaraka ny:
Alahady 17 Jona 2007 manomboka amin' ny 4 ora hariva.

Ny toerana hanaovana izany dia atao any amin' i

Madame Jeanne Ranaivoson
5013 Elsmere Avenue,
Bethesda MD 20814

Mba ampitampitao amin' ireo izay te-handray anjara ny chorale Fetim-pirenena 2007 ity hafatra ity azafady.

Maniry ny fahatongavantsika maro ary misaotra antsika mamaly ny antso.

Violette

Vaovao : Asabotsy 23 Jona 2007 amin'ny 3:30PM - 9:00PM

                 Toerana:   2705  Primrose Lane East    York, PA, 17402                                                                                        

      Ry namana,

Hasaina manokana ianao hiara-mamantatra indray an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny hira “folka” (mozika vokatry ny tany) n’ny taona 70, 80 sy 90.  Nanamarika tokoa ny fiovana ara-piaraha-monina sy ara-kolontsaina teo amin’ny tantaran’i Madagasikara ireo vanimpotoana ireo ary mbola manana fiantrainkany eo amin’ny fisainan’ny tanora sy taranaka mifandimby hatramin’izao fotoana izao.  Ny mozika “folka” tokoa mantsy no sady an’isan’ny masomboly nipoirana no sady voankazo novokarin’ ireny fiovana ara-tantara ireny hany ka nanjary singa tsy tafasaraka amin’ny fo sy sain’ny fiarahamonina Malagasy nanomboka teo.

Ity hetsika ara-kolontsaina ity, izay efa fanindroany izao no tontosaina, dia nantsoina hoe “MAMPI-FOLKA” izany hoe raha adika malalaka dia ny fiarahana-miaina ny hafatra “folka”. Dia hiventy sy hiangaly ny vazo vokatry ny tany isika rehetra. Marihina fa ’ireo mpanakanto kalaza toa an’dry ‘Mahaleo’, ‘Lolo sy ny Tariny’, ‘Tselonina’, ‘Tsiakoraka’ no tena nahafantarana ny mozika Folka, ka rariny raha homezan-danja manokana amin’io ny sanganasan’izy ireo  izay hiangalian’ireo  tanora Malagasy vitsivitsy eto Amerika avaratra. 

Hisy ihany koa dinika sy adi-hevitra fohy mikasika ny hafatra na tantara fonosin’ireo sanganasa ireo mandritry ny fotoana.  Ho feno soa  sy fahafinaretana tokoa ny fiarahana.  Mifanandrify indrindra amin’ny herinandro fankalazana ny fetin’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ity hetsika ity ka vao maika hanana ny hasiny manokana.

Koa mirary anao, indrindra ny fo sy saina, hiaraka hivazo, sy hilanona

Fotoana:    Sabotsy 23 Jona, 2007 manomboka amin’ny 3:30 hariva   (katroka) ka hatramin’ny 9 alina

Toerana:   2705  Primrose Lane East     York, PA, 17402                  

Mpikarakara:     (301)655—9081;  (202)463-9871;  (240)372-2291; (717)741-6967

Dear   friend,

You are specially invited to re-discover Madagascar through its folksongs (local country music) of the 70's, 80's and 90's.  These periods marked unprecedented social and cultural changes in  Malagasy history and still have tremendous impact on the spirit of generations of Malagasy to this day.  Interestingly, the 'folk' music during these periods was both the seed and fruit of these changes.  The ‘folk’ music has ever since become a principal component of the heart and mind of Malagasy society.

This event, the second edition of its kind, was named 'MAMPI-FOLKA', which literally means 'to make you tune in to the folk ambiance'.  A group of young Malagasy, along with the audience, will interpret a sample of the top compositions of the legendary Malagasy ‘folk’ groups such as 'Mahaleo', 'Lolo sy ny Tariny', 'Tselonina' , 'Tsiakoraka' and others.  The group will also lead some brief discussions about the philosophy and history behind the lyrics of the songs.  The ambiance will be one of discovery and fun.   This year’s event coincides with the celebration of Madagascar Independence Day, which makes it even more special.

So bring yourself, especially your heart and mind !

Time: Saturday June 23, 2007 from 3:30 pm (sharp) to 9 pm. 

Place:     2705  Primrose Lane East   York, PA, 17402        

Contact:     (301)655—9081;  (202)463-9871;  (240)372-2291; (717)741-6967                       

Vaovao : Alahady 24 Jiona 2007 manomboka amin'ny 2:30 PM

Fotoam-pivavahana fangataham-pitahiana ho an'ny Tanindrazana sy ireo mpiray Tanindrazana rehetra

 

" Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah "     Levitikosy 19:18

 

Ry Havana Mpiara-mivavaka,

Ho toy ny fanao ho fankalazana ny fitsingerenan'ny Fahaleovan-tenam-pirenena Malagasy dia entanina isika mpiray Tanindrazana eto Washington, DC sy ny manodidina mba ho tonga hiara-hidera an'Andriamanitra noho izany vanim-potoana lehibe izany ary koa hivavaka manokana ho an'ny Tanindrazana malalantsika:

             Ny Alahady 24 Jiona 2007,
            amin'ny 2 ora sy sasany folak'andro
           izay hatao ao amin'ny fiangonana:

 

Wesley Theological Seminary

4500 Massachussets Ave NW

                        Washington, DC 20016

 

Hisy Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo mandritra ny fiaraha-mivavaka ka dia aoka isika samy hanomanana ny fanahintsika hiatrika ny Latabatra Masina.

Hiangaviana isika mba samy hivatsy sakafo maivana hifampizarana mandritra ny fiaraha-miala hetaheta izay haroson'ny Komity mpandridra ao aorian'ny fiaraha-mivavaka.  Noho ny fanamboarana ny " Parking" ny fiangonana dia hiangaviana ihany koa isika mba hametraka ny fiarantsika eo ampitan'ny American University (Katzan Center Garage), marihina fa tsy misy sarany ny fametrahana fiara ao ny faran'ny herinandro

Dia manantena ny fahatongavantsika maro hanome Voninahitra an'Andriamanitra ary mametraka ihany koa ny veloma vetivety amintsika tsirairay avy.

    Ny Komity Mpandridra ny Fiaraha-mivavaka
    Iraisam-pinoana Kristiana eto Washington, DC
   sy ny manodidina

DC Teams Practice

                             

In preparation for this year edition of RSM, the DC teams have started practice. Please find all information below.

 

Volleyball and Basketball Practice:


Dates and Times:
4/28   1PM-3PM

     5/5     1PM-4PM
     5/12   1PM-4PM
     6/2     1PM-4PM
     6/23   1PM-4PM

 

 Venue:   Bohrer Park Activity Center
   506 S Frederick Av
       Gaithersburg, MD 20877

 

Contacts:

 

For Volleyball:   Eric Ramarijaona:     ramarijaona@hotmail.com

             Marc Marc.Randrianarivelo@nab02.usace.army.mil

 

For Basketball :            Herizo Andriantseheno :     herizo@gmail.com

 

Directions:

From Washington , Virginia, and other points south:

Take the Capital Beltway (Interstate 495) toward Bethesda and Rockville . Exit onto Interstate 270 toward Frederick . Continue on 270 for about 8 miles. Take Exit 9A onto Interstate 370. Bear right following signs to Gaithersburg Towne Center . Exit 370 at Gaithersburg Towne Center to Route 355 north. Continue on 355 to third traffic light. Turn left onto Education Blvd. (This is a shared entrance with Gaithersburg High School .) Follow circle to third driveway. Continue to parking lot. Office is in the large red brick building on the right.

From Frederick , Pennsylvania , and other points north:

Take Interstate 270 south toward Rockville . From Frederick , this is about 22 miles. Exit at the Route 124 exit in Gaithersburg . At the end of the exit ramp, turn left onto Quince Orchard Road . At the second light, turn right onto Route 355 ( Frederick Ave. ) Continue south on 355 through Gaithersburg . After crossing the Railroad Bridge , turn right at the second light onto Education Blvd. (This is a shared entrance with Gaithersburg High School .) Follow circle to third driveway. Continue to parking lot. Office is in the large red brick building on the right.

 

Additional Basketball Practice:

Dates and Times:       Sundays starting @ 5pm

 

Venue:           Tilden Middle School
                      11211 Old Georgetown Rd
                  Rockville , MD 20852

Contact:               Herizo Andriantseheno:      herizo@gmail.com

 

Soccer Practice (To Be Confirmed):

 

Date and Time:          Saturdays 6pm-8pm

 

 Venue:           Timberlawn Park
                  10800 Gloxinia Dr
                 Bethesda , MD

 

Directions:

 

 From the North:
 Take I-270 South. At the "split" take I-270 toward Silver
Spring and Bethesda .

Exit at Old Georgetown Road and turn left (North) at
the exit. Turn right onto Tuckerman Lane . (There is a "No Left Turn" sign from Tuckerman onto Gloxinia.) Go to the 1st light and make a left onto
Sugarbush Lane , then go about 200 yards and make a left onto Gloxinia
Drive . The park entrance will be on your right.

From other locations:

 

Take the Beltway to I-270 North. Exit at Old Georgetown Road and turn right (North) at the exit. Turn right onto Tuckerman Lane . (There is a "No Left Turn" sign from Tuckerman onto Gloxinia.) Go to the 1st light and make a left onto Sugarbush Lane , then go about 200 yards and make a left onto Gloxinia Drive . The park entrance will
be on your right.


Note: For those of you who are already familiar with the area. The field
is located right behind Tilden Middle School . It is at the Intersection of Tuckerman Lane and Old Georgetown Road .

 

Contacts:             Herizo Andriantseheno:      herizo@gmail.com

                                 Benoit Razafimbahaoka:     ra_ben@yahoo.com

 

 

Kids Soccer:

Contact:                      Njaka Randrianarivelo:       simon.randrianarivel@bea.gov


Look forward to seeing everyone

 

RSM 2007

 

June 30, 2007 - July 1, 2007

at

Bohrer Park and Rockburn Park
MARYLAND


hosted by: RSM Washington DC

 

For additional information, please log on:

http://masombahiny.com/RSMDC2007.html