![]() |
![]() |
![]()
Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina
![]()
Vaovao : Alatsinainy 2 Jona 2008

![]()
Vaovao : Asabotsy 7 Jona 2008 manomboka amin'ny 4:00 PM


Fianaran-kira Chorale
Fetim-pirenena 2008.
Ry namana rehetra
Manakaiky ary ny 26 Jiona, ka dia hanomboka indray ary ny fianaran-kiran’ny Chorale.
Izany dia ho atao any an-tranon’i
Madame Jeanne
RALAY
5314, Bangor Drive
MD-20895.
Raha very ianao, dia antsoy ny 301 655 4036
Ny famerenan-kira voalohany dia ho atao ny Asabotsy 7 Jona amin’ny 4 ora.
Ka dia amparitao ary io fa tsy ananako daholo ny adiresin’ny rehetra o!!
Maniry ny fahatongavantsika maro ary misaotra antsika mamaly ny antso.
Mandra-pihaona daholo
Jeanne
![]()
Vaovao : Asabotsy 14 Jona 2008 manomboka amin'ny 4:00 PM


Fianaran-kira Chorale
Fetim-pirenena 2008.
Ry namana rehetra
Ny fianaran-kiran’ny Chorale manaraka dia atao ny Asabotsy 14 Jona 2008 manomboka amin'ny 4 ora hariva any an-tranon’i
Madame Jeanne
RALAY
5314, Bangor Drive
MD-20895.
Aorian' ny famerenenan-kira Chorale ny Asabotsy 14 Jona 2008 dia antsoina isika rehetra mpanao chorale tsy ankanavaka (tranainy na vaovao) fa hisy fiarahana misakafo ho FANKASITRAHANA sy FANAOVAM-BELOMA ny fianakaviana James RANAIVOSON izay atao ao amin'ny toerana hamerenan-kira ihany.
Ny fotoana dia
hatomboka amin' ny 7ora hariva. Iangaviana ihany koa isika mba samy
hitondra sakafo toy ny laoka, desera, rano, tsakitsaky sns... hiarahana
mizara, ny vary dia efa karakarain' ny tompon-trano.
Raha mila fanazavana fanampiny dia aza misalasala miantso ny telephone
301-613-0099 / 301-655-4036
Maniry ny fahatongavantsika maro ary misaotra antsika mamaly ny antso.
Ny mpikarakara.
PS: Mba ampitapitao anie ity hafatra ity azafady e!
![]()
Vaovao : Alahady 22 Jona 2008 manomboka amin'ny 2:30 PM
“Aza mba manadino ny Tanindrazanao”


Noho ny fahatongavan’ny fankalazana ny Fetim-pirenena izao, dia faly manasa antsika rehetra ny Komity mpikarakara ny fiaraha-mivavaka eto Washington DC sy ny manodidina mba hiaraka hidera sy hankalaza ny Tompo amin’izany andro malaza izany ary koa mba hivavaka sy hangata-pitahina ho an’ilay Nosintsika sy ny Mpiray Tanindrazana amintsika. Ny fotoam-pivavahana dia ho tanterahina ny Alahady 22 Jona 2008 amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny fiangonana Wesley:
Washington, DC 20016
Aorianan’ny fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha-manala hetaheta sy fandraisana tsakitsaky toy ny
mahazatra. Ny zava-pisotro sy ny kenokenona moa dia ny fiangonana no miantoka azy; ny tsakitsaky kosa dia manasa antsika rehetra mba samy hitondra izay sahaza hiarahantsika mifaly.
Koa manantena ny fahatongavantsika rehetra ary ny Tompo anie homba antsika rehetra hatrany.
Misaotra indrindra,
Ny Komity mpikarakara
|
Fandraisana anjara:
Maro ny fomba azonao handraisana anjara, toy ny Antoko Mpihira, famakian-teny, fitatazana rakitra, toro-hevitra ary fanampiana samihafa mandritra sy aorian’ny fotoana.
Raha te-handray anjara amin'ireo ianao na manana tolo-kevitra dia afaka manoratra amin’ny: ramarijaona@hotmail.com |
|
||||||
Iangaviana isika izay maharay ity filazana ity mba hampandre ny tapaka sy namana sy izay tsy tratr’antso ary hanome na hangataka azy ireo mba hanome ny email-n’izy ireo amin’ny ramarijaona@hotmail.com
![]()
Vaovao : Asabotsy 28 Jona 2008 manomboka amin'ny 5:00 PM
Vaovao : Kids' Soccer (U10 & U14) PEP RALLY.

![]()