Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Asabotsy 03 Martsa 2007 manomboka amin'ny 2:00 PM

Manao ahoana daholo ,
 
Ho tsara ny andro amin'ny Asabotsy 3 Martsa ka tonga dia amboary ny emploi du temps-nareo fa hisy foot (soccer) ao @ George Mason High School @ 2:00ora  hariva.
 
George Mason High School.
7124 Leesburg Pike
Falls Church, VA 22043

 
 
Tokony maromaro isika amin'io andro sady mba tsy mangatsiaka be intsony.
 
RSM Washington D.C.
 

Vaovao : Zoma 09 Martsa 2007 manomboka amin'ny 6:30 PM

Toerana: COLONIAL ROOM
         BEST WESTERN
            6633 Arlington Blvd
              Falls Church, VA 22042

                                           

                                              

Washington, D.C. faha-28 Febroary 2007

 

Ho an’ny Mpiray Tanindrazana rehetra,

 

Ny Ambasady malagasy eto Amerika dia faly manasa antsika mpiray tanindrazana rehetra tsy an-kanavaka mba ho tonga hanatrika ny famelabelarana sy fanazavana izay ataon’ny Ambasadaoro RAJAONARIVONY NARISOA, momban’ ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP), ary ho fampahafantarana antsika ny voina lehibe sy loza voajanahary mianjady amin’ny Firenena sy ny vahoaka malagasy vokatry ny orana mikija be loatra ka nahatonga ny tondra-drano izay niteraka fahavoazana lehibe ho an’ny firenena sy fianakaviana maro traboina sy tsy manan-kialofana.

Izany dia  atao ny:

Zoma 09 Martsa 2007

manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva

ao amin’ny :

COLONIAL ROOM
BEST WESTERN
6633 Arlington Blvd
Falls Church, VA 22042
 

  Koa dia manainga antsika rehetra ho tonga maro mba ho antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara
ary hitondra ny anjara biriky avy amintsika ho fanarenana ny firenena sy hanampiana ireo traboina.

   

                                                            Ny Ambasadaoro

                                                            Rajaonarivony NARISOA, PhD

 

Vaovao : Asabotsy 17 Martsa 2007 manomboka amin'ny 3:30 PM

Fianaran-kira Chorale Paska 2007

 

Manao ahoana daholo ,

Misaotra antsika rehetra izay tonga namaly ny fiantsoana
tamin'ny Asabotsy lasa teo, ary misaotra ireo nanome tanana
hikarakara ny fanomanana ny chorale paska amin'ity taona 2007 ity.
Mbola mamerina indray ny antso ho antsika rehetra izay
vonona handray anjara ny Chorale amin'ny Paska.

Ny famerenana hira voalohany dia atao ny
Asabotsy 17 Martsa 2007 manomboka amin'ny 3:30 PM
izay atao any amin'ny:


 Madame Jeanne Ranaivoson
5013 Elsmere Avenue,
Bethesda Md 20814


Ny metro dia tsy lavitra ny toerana ka afaka halaina
eny amin'ny metro izay mazoto te handray anjara.
  
   Ny e.mail-n'ny olona rehetra tsy anananay
 fa mba afaka ampitaina  ho an'ireo olona hafa
rehetra izay te handray anjara amin'ny Chorale Paska 2007.
   
   Mirary soa daholo

Bakoly (703)622-6652
Violette (202)332-3066



Vaovao : Alahady 18 Martsa 2007 amin'ny 10:30 AM

Sorona Masina ho an'ny Katolika  eto Washington sy ny manodidina

Ry mpiara-mivavaka eto Washington D.C. sy ny manodidina,

Mompera Meme Romuald dia miantso antsika mianakavy ny Alahady 18 Martsa 2007
amin'ny 10 ora sy sasany maraina hanotrona ny Sorona Masina izay atao ao amin'ny:

1243 Monroe Street, N.E.
Washington, DC 20017-2508


Aorian'ny lamesa dia manasa antsika ihany koa izy hiaraka hisakafo ao
an-toerana ka noho izany dia samia mitondra ny anjara sakafo sy fanalana
hetaheta sahaza ny fianakaviana tsirairay avy.
 
Miala tsiny fa tsy hananay daholo ny e-mail ny daholo be ka mba apitampitao any ny hafatra.

Raha misy manana fanontaniana dia aza misalasala manoratra mailaka na
miantso an-taroby (703) 398 8918

Misaotra indrindra Tompoko,

Ny mpikarakara.


 

Vaovao : Asabotsy 31 Martsa 2007 manomboka amin'ny 3:30 PM

Fianaran-kira Chorale Paska 2007

Miarahaba antsika rehetra,
 
Misaotra antsika rehetra hatrany izay namaly ny antso sy nanome tanana hikarakara ny
Chorale Paska 2007. Araka ny resantsika farany dia ny 7 Aprily no hanaovana ny famerenan-kira farany (repetition generale).  Noho izany dia manainga antsika rehetra hilaza sy hitaona ireo namana mbola te-handray anjara amin'ny chorale mba hanatrika ny famerenan-kira ny
Asabotsy 31 Martsa  2007  amin'ny 3 ora sy sasany hariva.
Iangaviana indrindra isika izay tsy mbola nanatrika ny famerenan-kira mihintsy mba ho tonga hanatrika izany mialoha ny famerenan-kira farany.
 
 Toerana:   Mrs. Jeanne Ranaivoson
       5013 Elsmere Avenue
      Bethesda, MD 20814
  
Mirary soa hatrany.
 
Bakoly: 703-622-6652
Violette: 202-332-3066

RSM Washington DC 2007