![]() |
![]() |
![]()
Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina
![]()
Vaovao : Asabotsy 7 Martsa 2009 manomboka amin'ny 2:30 PM

Fianaran-kira Chorale Paska 2009
Ho antsika rehetra mpanao
Chorale,
Manao ahoana daholo isika rehetra,
Noho fahatongavan'ny Paska dia manomboka amin'ny Asabotsy 7 Martsa
2009 izao ny famerenenan-kira
voalohany ny Chorale izay atao amin'ny Paska.
Koa manasa antsika rehetra mpanao Chorale tsy
ankanavaka sy izay mazoto hanafana ny Chorale mba ho
avy. Izany dia atao ao amin' ny tranon'i
Andriamatoa Roger RALAY mivady
5314, Bangor Drive
MD-20895
Ny fotoana dia hatomboka amin' ny 2 ora sy sasany, (2.30 pm) hariva.
Ny mpitendry dia efa manana hira iray azo atao amin'ny Paska fa raha misy manana
hetaheta hira tsara atao amin'io fotoana io dia mba ento amin'ny Asabotsy na
hilazao Patrick dia isika no miara-mifidy ny hira faharoa atao.
Raha mila fanazavana amin'ny fandehanana any amin'i Mr Roger Ralay dia aza
misalasala miantso ny telephone
301-613-0099 /
301-655-4036.
Tsy hananako daholo ny
e-mail ny rehetra fa dia mba ampitampitao ny hafatra azafady.
Dia misaotra antsika mialoha ary
manantena ny
fahatongavantsika maro
Ny mpikarakara.
![]()
Vaovao : Asabotsy 14 Martsa 2009 manomboka amin'ny 2:30 PM

Fianaran-kira Chorale Paska 2009
Manao ahoana daholo isika rehetra,
Noho fahatongavan'ny Paska dia isaky tolakandro no
hanaovana ny famerenan-kiran'ny Chorale, izay efa nanomboka tamin'ny Asabotsy 7 Martsa
2009 lasa teo.
Amin'ny Asabotsy 14
Martsa izao izany dia hisy ny famerenenan-kira
ho antsika izay tsy tratra antso
Koa manasa antsika rehetra mpanao Chorale tsy
ankanavaka sy izay mazoto hanafana ny Chorale mba ho
avy. Izany dia atao ao amin' ny tranon'i
Andriamatoa Roger RALAY mivady
5314, Bangor Drive
MD-20895
Ny fotoana dia hatomboka amin' ny 2 ora sy sasany, (2.30 pm) hariva.
Ny mpitendry dia efa manana hira iray azo atao amin'ny Paska fa raha misy manana
hetaheta hira tsara atao amin'io fotoana io dia mba ento amin'ny Asabotsy na
hilazao Patrick dia isika no miara-mifidy ny hira faharoa atao.
Raha mila fanazavana amin'ny fandehanana any amin'i Mr Roger Ralay dia aza
misalasala miantso ny telephone
301-613-0099 /
301-655-4036.
Tsy hananako daholo ny
e-mail ny rehetra fa dia mba ampitampitao ny hafatra azafady.
Dia misaotra antsika mialoha ary
manantena ny
fahatongavantsika maro
Ny mpikarakara.
![]()
" FILAZANA MANJO SY FAMANGIANA AO AORIAN'NY FOTOAM-PIVAVAHANA 12 APRILY 2009 "

Noho ny fahoriana nahazo ny fianakavian'i Gerard
Rabemananjara, mipetraka ao
Gaithersburg, MD tamin'ny namoizandry zareo ny reniny, renibeny
RAZANADRASOA (Bebe Martine)
tamin'ny Asabotsy 21 Marsa 2009 teo.
Hisy fitsapana alahelo sy famangiana fahoriana azy ireo hatao aorian'ny
fiaraha-mivavaka hatao ao amin'ny
Wesley Theological Seminary ny alahady 12 Avrily izao. Efa
nampandrenesina izany fandaharampotoana izany ny komity mpikarakara ny
fiaraha-mivavaka.
Ny Razana dia efa voalevina ny Alarobia 25 Marsa teo
tany Madagasikara.
Misaotra mialoha ary miombombavaka hatrany!
Raha misy fanontaniana na fanazavana fanampiny ilaina dia afaka mandefa email
amin'ity adiresy ity na ny telephone etsy ambany.
Pere Romuald Rakotondraibe MS
tel #
202-276-7537
Sitrak’Andriamanitra no niantso ny mpanompony :
RAZANADRASOA
(Bebe Martine)
Vady navelan’Itompokolahy RABEMANANJARA François de Sales
Officier de l’Ordre Pontifical
“Pro Deo et Ecclesia in Madagascariensius”
Tamin’ny 21 Mars 2009 rehefa nivahiny 82 taona teto an-tany ary nahazo ny Sakramenta fanomen’ny Eglizy ny Zanany.
Hoy:
Ny zanany : RABEMANANJARA Désiré F. sy Rolicque
RABEMANANJARA Martin F. sy Louise
RAVONISON Arthur sy Aimée
RABEMANANJARA N. Agnès
RABEMANANJARA T. Roger sy Florence (France)
RABEMANANJARA Félicien E. sy Irène
RABEMANANJARA Claire sy RAJAONARISON
RABEMANANJARA G. Fidèle sy Hanitra (USA)
RAKOTO Philémon sy Julie (Canada)
Ny zafikeliny: Tiana sy Joëlle, Faly sy Mamitiana, Landô sy Nadia, Martino sy Onja, Jerry sy Sabrina, Eric, Willie sy Tatianah, Colette, Francky, Serge, Christelle, Lalaina, Lova, Rindra, Dera, Tojo, Fanny, Tantely, Kanto, Riana, Ariel, Stephan, Dylan
Ny zafiafiny: Melodie, Calina, Noah, Kevin, Rosella, Sarobidy
Ny iray tampo aminy: Terak’Itompokovavy RAZAFINDRASOA Justine
RAKOTONIAINA Philibert mivady sy ny zanany aman-jafiny
RAZANANAHARY Marie Bernardette sy ny zanany aman-jafiny
- Ny Fianakaviana manontolo - Ny Fikambanana MDMK EKAR Antanimena
- Ny EKAR Md François Xavier Antanimena - Ny Faritra Maintsoririnina
- Ny EKAR Md François de Sales Imerintsiadino - Ny Fokontany Ankaditapaka Avaratra
- Ny Fiangonana FJKM Imerikanjaka Fitahiana - Ny Fokontany Ivoara Masindray
- Ny Zanaka Ampielezana EKAR Md François de Sales , Imerintsiadino
Ny nofony dia ho entina miala ao amin’ny Lot IVN 49 Ankaditapaka Avaratra (akaikin’ny Lycée privé Ranaivosoa) ny Alarobia 25 Mars 2009 amin’ny 12 ora sy sasany tolakandro, ho entina hanomezan-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny EKAR Md François Xavier Antanimena alohan’ny hametrahana azy ao amin’ny fasan-drazany ao Soavina-Masindray.
Eo anilanao
Ry Reny malala
Mamy loatra izany mitoetra
O Maria, eo anilanao
(V. H. 504)
Tsy misy fiaretan-tory
![]()