Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Alahady 09 Oktobra 2005

FIANGONANA ARA-PILAZANTSARA - FIARAM

(25 Jona 1980 -25 Jona 2005)

Ho fankalazana ny faha 25 taona niorenan'i FIANGONANA ARA-PILAZANTSARA

ny Pasitora SOLOFO RATSIMISETA, Sampana-FIARAM-USA,dia manasa antsika amin'ny fotoam-pivavahana ho atao hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ny amin'izany:

Daty:09 Oktobra 2005

Ora :2 ora sy sasany

Toerana:"WESLEY THEOLOGICAL SEMINARY"

4500 MASSACHUSSETT.AVE

WASHINGTON DC 

 

Hanome voninahitra ny fotoam-pivavahana Atoa sy Rtoa Narisoa RAJAONARIVONY

Ambasadaorin'i Repoblika Madagasikara eto Etats Unis. 

 

"Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra,ho fanitsiana izay diso,ho fitaizana amin'ny fahamarinana,mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara amin'ny asa tsara rehetra"

                                                                        2 Timoty 3:16-17 

 

Fanamarihana: Hisy fandraisana fanatitra sy fanampiana ho entina hampandroso ny Asan'Andriamanitra eo amin*ny FIARAM ary koa hanampiana ny TOBIN'NY MPAMAFY

ao an-tapon'Itaosy Antananarivo izay toerana hitaizana zazakamboty sy lehibe rerakin'ny adim-piainana (mahatratra 600 eo izao no taizana ao ary ireo no mivoaka ka ho tonga mpanompon'Andriamanitra) 

 

Fanampiny: Aorianan'ny fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha- miala hetaheta ka miangavy antsika tsirairay mba hivatsy mofo mamy fa ny zava-pisotro dia ho raisin'i FIARAM. 

 

Hampitombo ny Fahasoavana eo aminao ny fahatongavanao ary ny

Tompo anie hanonitra izay rehetra ataonao.

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.