Vaovao Washington D.C. sy ny manodidina

Vaovao : Talata 09 Septambra 2008 amin'ny 7:00 hariva

"Famangiana Manjo"

 

FILAZANA MANJO

Amin' alahelo lehibe no ampandrenesana antsika Malagasy mpiray tanindrazana eto Amerika Avaratra (Washington, DC sy ny manodidina) fa nindaosin'ny fahafatesana ny
Alatsinainy, 8 Septambra, 2008
tao Falls Church, Virginia:


Ramatoa Rafamantanantsoa Rasoamananoro Suzette Solange

(Renin'i Andrianina Rafamantanantsoa sy Daniel “Dani” Andriamandrato)



Ny ambangovangon’ny fandaharana rehetra dia mbola holazaina miandalana eto ihany, fa ny azo ambara aloha hatramin’izao dia:

Hisy ny famangiana izay ataon’ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra (Washington DC sy ny manodidina) ny:

Talata. 9 Septambra, 2008,
amin'ny 7.00 ora hariva

ao amin’ny:

210 East Fairfax St #607
Falls Church
VA 22046


Azonareo atao koa ny miantso ny 703-532-0246

“Ity no solon’ny fampandrenesana ho an’ireo rehetra izay tsy tratra antso”


 

Vaovao : Asabotsy 13 Septambra 2008 amin'ny 4:00 - 7:00 hariva

"FAMPANDRENESANA"

Sitrak' Andriamanitra no niantsoany ny mpanompony hody any Aminy ny
Alatsinainy 08 Septambra 2008 teto Virginia, USA

RAFAMANTANANTSOA RASOAMANANORO SUZETTE SOLANGE
Loholona



Hoy ny zanany :

     Rafamantanantsoa Andrianina sy Andriamandranto Daniel
 Rafamantanantsoa Lila                                                              
      Rafamantanantsoa Ony sy Randrianantenaina Miorarijaona

Ny zafiny, ny reniny, ny iray tampo rehetra ary ny fianakaviana
manontolo.

Ny fiondrehana eo amin' ny nofo mangatsiakany na "viewing" dia hatao
ny Asabotsy 13 Septambra 2008 manomboka amin'ny 4:00pm
ary ny fiaraha-mivavaka ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra
dia manomboka amin' ny 6:00pm ka hatramin' ny 7:00pm.

Ny toerana dia ao amin' ny  :

  Advent Funeral Home
7211 Lee Highway
Falls Church, Virginia 22046
USA


" Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy ; Mitondra ahy eo
amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
"

                                                                        Salamo 23: 2


Ity no solon'ny fampandrenesana ho an'ireo izay tsy tratra antso .

703-532-0246
202-390-4943
 

" FILAZANA MANJO "

 

Sitrak'Andriamanitra ny niantsoany ny malalany

Andriamatoa Emmanuel Rakotondrazaka

tany Antananarivo ny Talata 23 Septambra 2008
 

Ray niteraka an'i

           Hery sy Rondro Rakotondrazaka
                Herinaivo sy Hanta Rakotondrazaka
Alain sy Lala Ratsimbazafy

                              Ny razana dia halevina amin'ny Alahady 28 Septambra 2008 any Madagasikara.
 Holazaina aminareo eo ihany ny fotoana famangiana ny fianakaviana.

Ity no solon'ny fampandrenesana ho an'ireo izay tsy tratra antso .

        

 Click to zoom in on my visitor map!
 

 

Free Myspace Maps from ModMyProfile.com